Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Inona no tanjon'ny batisa? Inona ny Fiangonana mandroso?
Manage episode 332133638 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Anio, andeha hojerena manokana ny momba ny Batisan'ny Rano sy ny atao hoe fiangonana mandroso. Misy maro ny karazana batisa, ohatra amin'izany ny batisa asitrika anaty rano, ny batisan-jaza, ny batisa fanafahana, fanasitranana, ny batisan'ny fibebahana, ary ny batisa ankamehana. Fa inona marina moa no tanjon'ny batisa araka ny tenin'ny Soratra Masina? Samy manana ny hevitra inoany koa ny olona momba ny atao hoe fiangonana mandroso. Raha nanontany ny hevitry ny olona maromaro izahay dia toy izao ny heviny. Karazany (1): Rehefa miakatra ny fanatitra dia mandroso ny fiangonana. Karazany (2): Rehefa maro ny mpivavaka dia mandroso izay ny fiangonana. Karazany (3): Rehefa miakatra ny fari-piainan'ny mpivavaka dia mandroso ny fiangonana. Ary samy milaza avokoa ireo fa tena tokony hanao fanentanana momba izany matetika ny mpitandrina mba hampandroso ny fiangonana. Fa inona marina moa, araka ny lazain'ny Baiboly, no atao hoe fiangonana mandroso? Ary inona no hetsika tokony hatao mba hampandroso ny Fiangonana? Ny raki-peo no mirakitra ny hafatra sy ny fanazavana fohy momba ny tanjon'ny batisa sy ny famaritana araka ny ambaran'ny Soratra Masina ny atao hoe "Fiangonana mandroso". Mihainoa finaritra tompoko !
…
continue reading
175集单集