Fiami Radio - Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona?
Manage episode 342699709 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ? Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity. "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)
…
continue reading
175集单集