“How could this owl, who was born in captivity, lived his whole life in a cage, how could he possibly survive? He's going to be dead in a few days. That's what everybody thought.” – Christine Mott In February 2023, a Eurasian eagle-owl named Flaco made headlines—and captured hearts—when he escaped from his small enclosure at the Central Park Zoo. Born in captivity and unable to fly or hunt, Flaco defied every expectation. In just weeks, he taught himself to soar across the Manhattan skyline, hunt for his own food, and live as freely as an owl could in a city of concrete and glass. For more than a year, New Yorkers spotted him perched in Central Park, on high-rises, even outside apartment windows—cheering him on as a symbol of resilience and freedom. Today’s guest, attorney and lifelong animal advocate Christine Mott, has immortalized Flaco’s story in her new children’s book, Free Bird: Flaco the Owl’s Dreams Take Flight . Told from Flaco’s perspective, the book celebrates courage, hope, and the right of all animals to live free—without cages or confinement—while gently encouraging young readers to see captivity through an animal’s eyes. This conversation is about Flaco’s extraordinary journey, the lessons he left behind, and how one small owl sparked big changes for animals in New York and beyond. Links: https://lanternpm.org/book/free-bird/…
Player FM - Internet Radio Done Right
Checked 4M ago
four 年前已添加!
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Player FM -播客应用
使用Player FM应用程序离线!
使用Player FM应用程序离线!
Andro hanokafana ny faminaniana izao
Manage episode 334536286 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? Vanim-potoana hanokafan'Andriamanitra ny faminaniana izao. Daniela 10: 1-10, Matio 24: 17-22, Asan'ny Apostoly 17: 1-12
…
continue reading
174集单集
Manage episode 334536286 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? Vanim-potoana hanokafan'Andriamanitra ny faminaniana izao. Daniela 10: 1-10, Matio 24: 17-22, Asan'ny Apostoly 17: 1-12
…
continue reading
174集单集
所有剧集
×"Izay mino sy atao batis no hovonjena; Izay tsy mety mino no hohelohina." (Marka 16:15-16)
Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny? Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo. Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotahiana ny firenena rehetra, ary haniry ny hianatra ny didy sy lalàn'Andriamanitra ny firenena rehetra. Hanefy ny sabany ho fangady ny olona ary tsy hianatra ady intsony. Ary na dia ny biby masiaka aza dia hiova ho malemy fanahy ka tsy handratra eran'ny tendrombohitr'i Jehovah. Hisy vokatra be dia be amin'izany. Ny tany hahavoka-javatra, ary ny olona ho malemy fanahy sy hitady an'i Jehovah. Dr. Daniel Rakotondravony no mitondra ny fampianarana ho anao. Izy dia mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara, ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny lahatsoratra sy fanazavana fanampiny dia hitanao ao amin'ny tranokala: https://ucgmada.blogspot.com ao amin'ny Toriteny. Raha maniry ny hiara-mivavaka aminay ianao dia mifandraisa aminay. Azonao atao koa ny mandefa hafatra ao amin'ny Facebook.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Maro ny kristiana no mankalaza ny krismasy na noely, nefa tsy mahafantatra ny tena antony niandohan'ilay fety akory. Mino izy ireo na ny marina dia voafitaka izy ireo ka mino fa ny krismasy na noely dia fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy dia tsy anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah ao amin'ny Baiboly. Toy ny fivavahana amin'ny andro alahady ihany dia namorona fety ho azy araka ny fiheviny ny olona hoentiny hanaovana fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah Andriamanitra, Izay namorona ny tany sy ny lanitra ary nitsahatra tamin'ny asany tamin'ny andro Sabat, andro fahafito. Dr. Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, mpikambana ao amin'ny Eglise de Dieu Unie na United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, no mitondra ny fampianarana ho anao. Aza adino ny mamaky hatrany ny Baibolinao sy mangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny sainao hahalala ny marina sy ho afaka amin'ny fahadisoan-kevitra rehetra. Ny fanazavana sy literatiora fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala ihany, amin'ny fizarana momba ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah. https://fiamiray.blogspot.com na https://ucgmada.blogspot.com…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Maro ny olona no mino fa ny fanahin'ny olombelona dia tsy mety maty. Nefa tsy izany no voalazan'ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Inona ny ain'ny olombelona? Avy aiza no niaviany? Inona no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay? Ny raki-peo no mirakitra ny fianarana momba izany. Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray, dia mpianatr'Andriamatoa Herbert W. Armstrong hatramin'ny taona 1972, ary nandalina Soratra Masina sy mampianatra ny fiangonana hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra rehetra, ary anisan'izany ny didy momba ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny vadiny, Ramatoa Raeliarisoa Marie Odette dia manampy azy amin'ny fanontana ny boky amin'ny fiteny Malagasy mba ho azon'ny olona hianarana amin'ny fiteny Malagasy izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny fianarana Baiboly dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eo ambany: https://fiamiray.blogspot.com na ny https;//ucgmada.blogspot.com Azonao atao koa ny manaraka ny fianarana amin'ny web radio sy ny pejy na groupe ao amin'ny Facebook.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Jehovah Andriamanitra Ray dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ho avy any amparany, ary ny Bokin'ny Apokalypsy sy ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah no manambara ny planin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra. Ity rakipeo manokana ity dia hanampy anao hahatakatra ny hevi-panahin'ny didy sy lalan'Andriamanitra sy ny Bokin'ny Apokalypsy.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ny andro fanavotana dia ilay andro firavoravoana fahadimy voatendrin'i Jehovah ho fitsaharana sy fivoriana masina. Io no andro firavoravoana notendren'i Jehovah hitsaharana, hanaovana fivoriana masina sy hanaovana fifadian-kanina, mba ho tena iray amin'Andriamanitra isika. Maneho koa ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy ho antsika teo amin'ny hazofijaliana, ary ny fanesorana an'i Satana mba tsy hahafahany mamitaka ny olona intsony rehefa tonga eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ? Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity. "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Tombo-kase fito sy Trompetra fito. Inona no hitranga ain'ny hamahana ny tombo-kase fito sy ny hitsofana ny trompetra fito? Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ity fizarana ity dia mirakitra ny fianarana Baiboly momba ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe sy ny fitsaran'ila Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Ambasadaoro Kolejy, Fiangonan'Andriamanitra Miray.
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ny Ambasadoaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia fianarana sy fandalinana Baiboly ho anao, hahafantaranao ny Filazantsaran'Andriamanitra sy ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Ity fizarana ity dia hahatakaranao ny hevi-panahin'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah sy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana azy ireny, satria ireny no manambara ny dingana fito lehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona. Ny fahatakarana ny hevi-panahy raiketiny dia hanampy anao hahatakatra ny zava-miafin'ny boky Apokalypsy sy ny Tenin'Andriamantra, raha maniry izany ianao, ka manan-tsofina ho enti-mihaino izay lazain'ny Fanahy aminao.…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

1 Fiami Radio - Ny Planin'ny Famonjena - Ny faharetana amin'ny finoana sy ny didin'Andriamanitra 33:07:14
Rehefa mibebaka marina isika ka mino fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy dia miroso amin'ny batisa sy ny fametrahan-tanana handraisana ny Fanahy Masina. Mila mitombo amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary mifady ny ota. Io no ambaran'ny dingana manaraka amin'ny planin'ny famonjena nataon'Andriamanitra ho antsika. Rehefa miezaka mitandrina ny didy sy lalàna ary fitisipik'Andriamanitra isika dia manana ny sain'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny finoan'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. ...…
F
Fiangonan'Andriamanitra Miray

1 UCG Mada - Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra - "Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny Fahamarinany" 26:08:57
Ny Ambasadaoro Kolejy dia fianarana Baiboly atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, handinihana ny Tenin'Andriamanitra, hitomboana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no planin'ny Famonjena? Andriamanitra dia nanome ireo andro firavoravoana voatendry (Levitikosy 23) ho planina mahagaga amin'ny famonjena ny zanak'olombelona izay mino Azy, fa ho fandringanana kosa ireo fatra-mpikomy amin'Andriamanitra. Nahoana no ianarana ny Baiboly? Inona no Filazantsaran'Andriamanitra? Inona ny Fanjakan'Andriamanitra? Ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, ary tsy maintsy mitory izany izahay mba ho vavolombelona. Manomboka amin'ny finoana sy fibebahana, ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny batisan'ny rano sy ny Fanahy Masina, ny Pentekosta, izany dingana izany. Fanampin'izany, dia ao koa ny fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. Ny hevi-panahin'ireo andro masin'i Jehovah Andriamanitra ireo no mirakitra ny zava-miafin'ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho ahy sy ho anao.…
Fiangonan'Andriamanitra Miray - Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny literatiora sy lahatsoratra fanampiny manampy anao amin'ity fianarana Baiboly ity dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny Toriteny, tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
欢迎使用Player FM
Player FM正在网上搜索高质量的播客,以便您现在享受。它是最好的播客应用程序,适用于安卓、iPhone和网络。注册以跨设备同步订阅。