Player FM - Internet Radio Done Right
Checked 6M ago
three 年前已添加!
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Player FM -播客应用
使用Player FM应用程序离线!
使用Player FM应用程序离线!
值得一听的播客
赞助
<
<div class="span index">1</div> <span><a class="" data-remote="true" data-type="html" href="/series/squid-game-the-official-podcast">Squid Game: The Official Podcast</a></span>
Let the new games begin! Starting Thursday, December 26th, join hosts Phil Yu (aka “Angry Asian Man”) and Kiera Please as they dive into each episode of Squid Game Season 2. Joined by a lineup of special guests, they’ll unpack the deadly new challenges, explore the layered characters, and debate the moral dilemmas that will leave you questioning everything. Squid Game: The Official Podcast returns December 26th.
Inona no mahatonga ny ady? Fiz2
Manage episode 341063066 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manolotra anao fianarana Baiboly isanandro. Ny toko voalohany amin’ny fianarana dia "Nahoana no ianarana ny Baiboly?". Ny lesona anio dia mbola mitondra ny lohateny hoe "Inona no mahatonga ny ady?"
…
continue reading
175集单集
Manage episode 341063066 series 3318162
内容由Fiami Radio提供。所有播客内容(包括剧集、图形和播客描述)均由 Fiami Radio 或其播客平台合作伙伴直接上传和提供。如果您认为有人在未经您许可的情况下使用您的受版权保护的作品,您可以按照此处概述的流程进行操作https://zh.player.fm/legal。
Ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manolotra anao fianarana Baiboly isanandro. Ny toko voalohany amin’ny fianarana dia "Nahoana no ianarana ny Baiboly?". Ny lesona anio dia mbola mitondra ny lohateny hoe "Inona no mahatonga ny ady?"
…
continue reading
175集单集
所有剧集
×Maro no mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ary mino fa izqo rehetra izao dia nivoatra avy tamin'ny tsy misy. Nefa ny Baiboly dia mirakitra ny momba Ilay Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny zava-boaary ao aminy. Ny tantaran'ny famoronana dia voarakitra ao amin'ny Baiboly, izay manambara fa Andriamanitra no nanao ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra sy ny tarehany no nanaovany azy. Iza ary Inona Andriamanitra? Araho ny lesona mirakitra ny fanazavana atolotry ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin’ny tranokalanay. Https://fiamitoriteny.blogspot.com…
"Izay mino sy atao batis no hovonjena; Izay tsy mety mino no hohelohina." (Marka 16:15-16)
Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny? Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo. Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com…
Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotahiana ny firenena rehetra, ary haniry ny hianatra ny didy sy lalàn'Andriamanitra ny firenena rehetra. Hanefy ny sabany ho fangady ny olona ary tsy hianatra ady intsony. Ary na dia ny biby masiaka aza dia hiova ho malemy fanahy ka tsy handratra eran'ny tendrombohitr'i Jehovah. Hisy vokatra be dia be amin'izany. Ny tany hahavoka-javatra, ary ny olona ho malemy fanahy sy hitady an'i Jehovah. Dr. Daniel Rakotondravony no mitondra ny fampianarana ho anao. Izy dia mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara, ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny lahatsoratra sy fanazavana fanampiny dia hitanao ao amin'ny tranokala: https://ucgmada.blogspot.com ao amin'ny Toriteny. Raha maniry ny hiara-mivavaka aminay ianao dia mifandraisa aminay. Azonao atao koa ny mandefa hafatra ao amin'ny Facebook.…
Maro ny kristiana no mankalaza ny krismasy na noely, nefa tsy mahafantatra ny tena antony niandohan'ilay fety akory. Mino izy ireo na ny marina dia voafitaka izy ireo ka mino fa ny krismasy na noely dia fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy dia tsy anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah ao amin'ny Baiboly. Toy ny fivavahana amin'ny andro alahady ihany dia namorona fety ho azy araka ny fiheviny ny olona hoentiny hanaovana fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah Andriamanitra, Izay namorona ny tany sy ny lanitra ary nitsahatra tamin'ny asany tamin'ny andro Sabat, andro fahafito. Dr. Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, mpikambana ao amin'ny Eglise de Dieu Unie na United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, no mitondra ny fampianarana ho anao. Aza adino ny mamaky hatrany ny Baibolinao sy mangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny sainao hahalala ny marina sy ho afaka amin'ny fahadisoan-kevitra rehetra. Ny fanazavana sy literatiora fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala ihany, amin'ny fizarana momba ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah. https://fiamiray.blogspot.com na https://ucgmada.blogspot.com…
Maro ny olona no mino fa ny fanahin'ny olombelona dia tsy mety maty. Nefa tsy izany no voalazan'ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Inona ny ain'ny olombelona? Avy aiza no niaviany? Inona no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay? Ny raki-peo no mirakitra ny fianarana momba izany. Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray, dia mpianatr'Andriamatoa Herbert W. Armstrong hatramin'ny taona 1972, ary nandalina Soratra Masina sy mampianatra ny fiangonana hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra rehetra, ary anisan'izany ny didy momba ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny vadiny, Ramatoa Raeliarisoa Marie Odette dia manampy azy amin'ny fanontana ny boky amin'ny fiteny Malagasy mba ho azon'ny olona hianarana amin'ny fiteny Malagasy izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny fianarana Baiboly dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eo ambany: https://fiamiray.blogspot.com na ny https;//ucgmada.blogspot.com Azonao atao koa ny manaraka ny fianarana amin'ny web radio sy ny pejy na groupe ao amin'ny Facebook.…
Jehovah Andriamanitra Ray dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ho avy any amparany, ary ny Bokin'ny Apokalypsy sy ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah no manambara ny planin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra. Ity rakipeo manokana ity dia hanampy anao hahatakatra ny hevi-panahin'ny didy sy lalan'Andriamanitra sy ny Bokin'ny Apokalypsy.…
Ny andro fanavotana dia ilay andro firavoravoana fahadimy voatendrin'i Jehovah ho fitsaharana sy fivoriana masina. Io no andro firavoravoana notendren'i Jehovah hitsaharana, hanaovana fivoriana masina sy hanaovana fifadian-kanina, mba ho tena iray amin'Andriamanitra isika. Maneho koa ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy ho antsika teo amin'ny hazofijaliana, ary ny fanesorana an'i Satana mba tsy hahafahany mamitaka ny olona intsony rehefa tonga eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.…
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ? Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity. "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)…
Tombo-kase fito sy Trompetra fito. Inona no hitranga ain'ny hamahana ny tombo-kase fito sy ny hitsofana ny trompetra fito? Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Ity fizarana ity dia mirakitra ny fianarana Baiboly momba ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe sy ny fitsaran'ila Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Ambasadaoro Kolejy, Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Ny Ambasadoaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia fianarana sy fandalinana Baiboly ho anao, hahafantaranao ny Filazantsaran'Andriamanitra sy ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Ity fizarana ity dia hahatakaranao ny hevi-panahin'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah sy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana azy ireny, satria ireny no manambara ny dingana fito lehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona. Ny fahatakarana ny hevi-panahy raiketiny dia hanampy anao hahatakatra ny zava-miafin'ny boky Apokalypsy sy ny Tenin'Andriamantra, raha maniry izany ianao, ka manan-tsofina ho enti-mihaino izay lazain'ny Fanahy aminao.…
1 Fiami Radio - Ny Planin'ny Famonjena - Ny faharetana amin'ny finoana sy ny didin'Andriamanitra 33:07:14
Rehefa mibebaka marina isika ka mino fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy dia miroso amin'ny batisa sy ny fametrahan-tanana handraisana ny Fanahy Masina. Mila mitombo amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary mifady ny ota. Io no ambaran'ny dingana manaraka amin'ny planin'ny famonjena nataon'Andriamanitra ho antsika. Rehefa miezaka mitandrina ny didy sy lalàna ary fitisipik'Andriamanitra isika dia manana ny sain'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny finoan'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. ...…
1 UCG Mada - Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra - "Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny Fahamarinany" 26:08:57
Ny Ambasadaoro Kolejy dia fianarana Baiboly atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, handinihana ny Tenin'Andriamanitra, hitomboana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no planin'ny Famonjena? Andriamanitra dia nanome ireo andro firavoravoana voatendry (Levitikosy 23) ho planina mahagaga amin'ny famonjena ny zanak'olombelona izay mino Azy, fa ho fandringanana kosa ireo fatra-mpikomy amin'Andriamanitra. Nahoana no ianarana ny Baiboly? Inona no Filazantsaran'Andriamanitra? Inona ny Fanjakan'Andriamanitra? Ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, ary tsy maintsy mitory izany izahay mba ho vavolombelona. Manomboka amin'ny finoana sy fibebahana, ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny batisan'ny rano sy ny Fanahy Masina, ny Pentekosta, izany dingana izany. Fanampin'izany, dia ao koa ny fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. Ny hevi-panahin'ireo andro masin'i Jehovah Andriamanitra ireo no mirakitra ny zava-miafin'ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho ahy sy ho anao.…
Fiangonan'Andriamanitra Miray - Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny literatiora sy lahatsoratra fanampiny manampy anao amin'ity fianarana Baiboly ity dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny Toriteny, tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God, izay fikambanana iraisam-pirenena niorina tamin'ny 1995, ary ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny iraka tanterahinay dia ny mitory ny Filazantsaran'Andriamanitra amin'ny olona rehetra sy ny manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra araka izay notorian'ny Pastera Herbert W. Armstrong. Ny Fiami Radio dia tari-dalana ho antsika maniry handinika sy hahatakatra ny fahamarinana fototra avy ao amin'ny Baiboly. Azonao henoina eto izany manomboka anio.…
Inona no famantarana hafa nomen'i Jesosy hanambarana fa efa akaiky ny "farany"? Moa ve i Jesosy nilaza fa ny "fahavetavetan'ny fandravana" dia arak’izay nolazain'i Daniela mpaminany? Isika kristiana dia asaina misaina rehefa mamaky momba izany fahavetavetan'ny fandravana izany. Moa ve io baiko io nomena an'i Daniela ihany koa? Inona no andininy mbola nilazan'i Daniela ny "fahavetavetan'ny fandravana"? Ny raki-peo no hanampy anao hahafantatra ny marina. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Ny Apokalypsy 6 sy Apokalypsy 19 dia samy miresaka momba ny mpitaingina soavaly fotsy. Matetika isika no tsy mahay manavaka azy ireo, tsy mamaky tsara ny filazalazana momba azy ireo, ary voafitaka hino zavatra tsy marina, fa milaza fa samy manambara an'i Jesosy Kristy avokoa ireo mpitaingin-tsoavaly roa ireo. Ny marina dia samy manambara kristy izy ireo, fa ny voalohany dia kristy sandoka (Apokalypsy 6). Io dia ho avy mialoha ny fahoriana lehibe eto an-tany, ary efa mivoivoy eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ireo mpitaingin-tsoavaly maintymena, ary hatsatra izy io. Mifanohitra amin'izany kosa, Ilay mpitaingin-tsoavaly voalaza ao amin'ny Apokalypsy 19 dia i Jesosy Kristy, Izay ho avy hotronin'ireo anjely marobe, ho tonga hamonjy ny olona. Ampahany amin'ny tsy fitoviana ihany ireo voalaza ireo. Ny raki-peo no mirakitra ny fanazavana fanampiny. Ary ny literatiora sy lahatsoratra fameno dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Matetika isika no tsy mahatakatra na lahazo tsara ny dikan'ireo soavaly efatra ao amin'ny Apokalypsy 6. Ireo anefa dia anisan'ireo famantarana fotoana nomen'Andriamanitra fa hitranga mialoha ny fiavian'ny andro farany. Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy ireo dia maneho ny endrika efatra lehibe eto an-tany, izay nolazain'i Jesosy fa hisy amin'ny faran'ity vanimpotoana ity, samy miaratsy sy mifanitsaka daholo izy ireo, ka miantraika manerana an'izao tontolo izao. Ny soavaly fotsy dia mampiseho an'ireo minisitra sandoka maro izay mitory Kristy sandoka sy làlana diso mankany amin'ny "famonjena". Ny soavaly mena dia maneho ny firongatry ny fahasimbana vokatry ny ady . Ny soavaly mainty kosa dia tandindon’ny mosary tsy mitsaha-mitombo . Ary ny soavaly hatsatra dia maneho ny fihanaky ny areti-mifindra . Moa ve ny toko fahenina ao amin'ny Apokalypsy dia mampiseho ireo toe-javatra mitovy amin'ilay nolazain'i Jesosy ao amin'ny toko faha-24 amin'ny Matio fa amin'ny teny an'ohatra ? Araho ny fanazavana ary raiso ny Baibolinao hahafantaranao ny marina.…
Ireo mpitarika fivavahana tamin'ny andron'i Kristy dia tsy nahatakatra ireo "famantarana ny fotoana". Kanefa, dia efa nampianarina azy ireo fa ho avy ny Mesia, satria io hafatra io dia niverimberina tao amin'ny boky rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao amin'ny andininy faha-3 ao amin'io toko io ihany, dia nasehon'i Jesosy fa mety ho azon'izy ireo izany raha toa ka tena iriny . Ary izany fiheverana izany dia mbola hita amin'izao vaninandro iainantsika izao koa. Mety hiverina anio alina ve i Kristy? Inona no famantarana nomeny mialoha ny fiaviany? Moa efa tanteraka avokoa amin'ny fahafenoany ve ireo famantarana fotoana nomeny? Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana Baiboly ao amin'ny Canvas atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
Matetika isika no maheno olona miteny hoe "Raha hiverina anio alina ianao Jesosy dia raiso izahay ho any aminao", sy ny toy izany. Ny fahafatesan'ny olona iray ve no lazaina fa fiverenan'i Kristy? Marina ve ny fieverana fa mety hiverina tampoka anio alina i Kristy Jesosy? Inona no fitaka iray torin’ny mpaminany sandoka? Ka inona no tokony hoeritreretina momba izany? Mety hiverina anio alina ihany ve i Kristy? Tsia! Mampianatra ny Baiboly fa tsy maintsy hisy fisehoan-javatra voafaritra mazava sy mifanarakaraka aloha. Hianaro TANTERAKA tsara ny.Matio 24, ary koa ny Marka 13 sy ny Lioka 21. Ireo toko ireo dia manambara mazava fa misy karazana kalandrie ara-paminaniana, fa misy zavatra sasany tsy maintsy hitranga alohan'ny hiverenan'i Kristy. Hiverina mandritry ny ady sy tabataba ve i Kristy? sa hiverina mangingina, tsy hahatanteraka ireo famantarana mialoha ny fiaviany lazain'ny Baiboly akory? Inona ireo "mariky ny fotoana" nomen'i Kristy fa hitranga mialoha ny fiverenany fanindroany eto an-tany? Ny literatiora mirakitra ny fanazavana feno dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Ilay soavaly fotsy ao amin'ny Apokalypsy 6 dia manambara ny famantarana voalohany amin'ireo izay nolazain'i Jeosy Kristy. Hoy indrindra Izy: "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." (Matio 24:24) Ary amin'izany indrindra dia asainy miambina sy mivavaka mandrakariva isika mba hiditra an-tsehatra Andriamanitra hanafaka antsika amin'ny fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy. "Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy." [*lopa] (Matio 7:15) AMin'ny fiverenan'i Kirsty eto an-tany dia hosamborina ilay bibi-dia sy ny mpaminany sandoka ary hatsipy velona amin'ny farihy afo sy solifara. Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Apokalypsy 19:20)…
Mifampiankina tanteraka amin’io fanisana ny volana io no ilaharan’ireo dingana fito ao amin’ny Planin’ny Famonjena, izay fantatra matetika amin’ny filaharan’ny volana: volana voalohany, faharoa, fahatelo, …, hatrany amin’ny volana faharoa ambin’ny folo. ( Eksodosy 12:3 ) « Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra , araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; » ( 12:6 ) « ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. »( 12:7 ) « Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. »( 12:8 ) « Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. » ( 12:10 ) « Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo. » 4. Toy izany koa no anavaozan’i Jehovah ny fifanekeny amintsika Isiraely ara-panahy. Mila mahafatatra sy manaja izany fanavaozan’Andriamanitra ny fanisana ny volana amin’ny taona izany isika, hampiorina antsika amin’ny finoana sy fanekena ary fitandremana ny hevim-panahin’ireo diangana fito amin’ny Planin’ny Famonjena ireo. Amin’ity Volana Abiba ity no ahatsiarovantsika ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ho fanafahana antsika amin’ny ota sy handresena an’i Satana mpamitaka. Literatiora sy fanazavana fanampiny: Tsindrio ity…
"Ireo mpaniratsira amin’ny andro farany" - Fiz 2
"Ireo mpaniratsira amin’ny andro farany" - Fiz 1
Ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manolotra anao fianarana Baiboly isanandro. Ny toko voalohany amin’ny fianarana dia "Nahoana no ianarana ny Baiboly?". Ny lesona anio dia mbola mitondra ny lohateny hoe "Inona no mahatonga ny ady?"
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Inona no mahatonga ny ady? Isaia 59: 1-8, Matio , Jakoba 4: 1-10 Ny antony mahatonga ny ady Mampanantena Andriamanitra fa hitsabaka amin'ny raharahan'ny tontolo mba hisorohana ny fandringanana ny zanak'olombelona ary hitondra antsika ho amin’ny fiadanana manerana ny tontolo. Saingy, raha tiantsika ny fiadanana, dia mila misoroka ny ady ho avy Izy ka hanovana izay ny FOTOTRY ny ady. Aoka ho azontsika ny momba izany. Maneho mazava ve ny Baiboly fa ny tena fototry ny ady dia ny filàna sy ny fitsiriritan'ny olona? Jakoba 4: 1-2; Rom.3: 15-17. FANAMARIHANA: Tsy misy isalasalana fa ny fieboeboana, ny fireharehana, ny fitsiriritana ary ny filan-dratsin’ny nofon’ny olona tsy niova fo sy ny firehana ara-nofo no tena anton’ny ady. 2. Moa ve mampitombo ny fieboeboana ny fahalalana? 1 Kor. 8:1. Satria miaina ao amin'ny vanim-potoana mampitombo haingana ny fahalalana ara-tsiansa isika - izay mahatonga ny olom-bitsy hanam-pahefana tsy hita pesimpesenina - ny fitsiriritana tafahoatran’ny olona ve mahatonga ho tsara sa RATSY KOKOA ny fiainany? 11 Tim. 3: 13. 3. Inona no vokatra farany amin'ny fihetsika sy fanapahan-kevitra izay toa tsara amin’ny mpitondra ambony sy amin’ny ankapoben’ny olona? Ohab. 14: 12. FANAMARIHANA: Zava-dehibe io fitsipika io ka nasain'ny Fanahy Masin’Andriamanitra naverina ao amin'ny Ohab. 16:25. Hamaky bebe kokoa ... Tsindrio ny rohy ao amin'ny Lesona fanazavana, Ambasadaoro Kolejy: https://k12.instructure.com/courses/550407/pages/inona-no-vahaolana-aminny-ady?module_item_id=6579123…
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika. Fizarana faharoa: Sekoly Sabata. Araho tsy tapaka ny fianarana Baiboly atolotry ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, vondrom-paritra Afrika atsinanana. Azonao arahina ao amin'ny Canvas koa ny fianarana rehetra. Manorata aminay raha maniry hanaraka izany ianao.…
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika. Genesisy 11: 1-10, Marka 13: 19-23, Apokalypsy 9: 1-10 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. (Marka 13:19) Lahatsoratra mirakitra ny toriteny: Ambasadaoro Kolejy Azonao arahina ny fianarana Baiboly ao amin'ny Canvas: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6 Azonao atao koa ny manaraka ny ampahany amin'ny fianarana ao amin'ny Facebook: https://www.facebook.com/groups/919510742092657/…
Ny Baiboly dia boky anisan'ny maro voatonta indrindra, nefa miteraka tsy fitovizan-kevitra amin'ny samy mpino Kristiana. Ny Baiboly dia fototry ny fahalalana ary ahitana ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? Vanim-potoana hanokafan'Andriamanitra ny faminaniana izao. Daniela 10: 1-10, Matio 24: 17-22, Asan'ny Apostoly 17: 1-12
Salamo 119: 105-112, Jaona 3: 13-20, 2 Timoty 3: 10-17. Ny Baiboly no hahalalana ny valim-panontaniana manitikitika ny sain'ny olombelona ny amin'ny antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona. Misy antony maro mahatonga antsika hoe tokony hianatra mandrakariva ny Baiboly isika.
Eksodosy 19
1) Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao - 2) Inona ny Testamenta na Fanekena Vaovao?
Genesisy 22: 15-19, Lioka 1: 67-80, 2 Petera 3: 13-18. Abrahama dia nahazo sitraka tamin'i Jehovah satria nankato ny tenin'Andriamanitra izy. I Jaona mpanao batisa dia nanomana ny olona mialoha ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany. Ary mialoha ny Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ny fiangonana koa dia mila miomana. Inona no tokony hatao amin'izany? Fizarana voalohany.…
Inona no anton'ny fanambadian'i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra? Inona no toetra takiana amin'ilay Fiangonana? Inona no hitranga mialoha io fotoana io?
Ny Fiangonana, rehefa ateraka indray, no vadin'i Kristy. Misy Fanekem-panambadiana ifanaovan'ny Fiangonan’Andriamanitra amin'i Mpampakatra mialoha izany. Inona io fanekena io? Ary inona no zavatra mitranga mialoha ny fampakarana? Ny tenin'Andriamanitra dia Genesisy 1: 24-31, Matio 5: 31-48, Apokalypsy 19: 1-10. Inona no tanjon'ny fanambadian'i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra?…
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Anio, andeha hojerena manokana ny momba ny Batisan'ny Rano sy ny atao hoe fiangonana mandroso. Misy maro ny karazana batisa, ohatra amin'izany ny batisa asitrika anaty rano, ny batisan-jaza, ny batisa fanafahana, fanasitranana, ny batisan'ny fibebahana, ary ny batisa ankamehana. Fa inona marina moa no tanjon'ny batisa araka ny tenin'ny Soratra Masina? Samy manana ny hevitra inoany koa ny olona momba ny atao hoe fiangonana mandroso. Raha nanontany ny hevitry ny olona maromaro izahay dia toy izao ny heviny. Karazany (1): Rehefa miakatra ny fanatitra dia mandroso ny fiangonana. Karazany (2): Rehefa maro ny mpivavaka dia mandroso izay ny fiangonana. Karazany (3): Rehefa miakatra ny fari-piainan'ny mpivavaka dia mandroso ny fiangonana. Ary samy milaza avokoa ireo fa tena tokony hanao fanentanana momba izany matetika ny mpitandrina mba hampandroso ny fiangonana. Fa inona marina moa, araka ny lazain'ny Baiboly, no atao hoe fiangonana mandroso? Ary inona no hetsika tokony hatao mba hampandroso ny Fiangonana? Ny raki-peo no mirakitra ny hafatra sy ny fanazavana fohy momba ny tanjon'ny batisa sy ny famaritana araka ny ambaran'ny Soratra Masina ny atao hoe "Fiangonana mandroso". Mihainoa finaritra tompoko !…
Ireo Zanak'Isiraely tany Sinay dia nanana firehetam-po amin'ny fahamarinana rehefa nahita ireo asa lehiben’Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia nirehitra tamin'ny fitiavana an'Andriamanitra ka tsy namela ny tranony hatao fivarotana. Isika Fiangonan’Andriamanitra koa dia tokony hitoetra amin'izany. Ahoana? Eksodosy 19: 1-8, 1 Korintiana 14: 12-17, Jaona 2: 13-17…
Isika no Isiraely ara-panahy ary araka izany, dia mandova ny teny fikasan'Andriamanitra nomeny ny olony isika, raha maharitra amin'ny Finoan'i Kristy sy mitandrina ny didin'Andriamanitra.
Ny Batisan'ny Rano, Batisan'ny Fibebahana. Inona no tsara ho fantatra momba ny Batisa? Inona ilay hoe miara-maty, miara-milevina, ary miara-mitsangana amin'i Kristy?
Ny Pentekosta dia fetin'ny voaloham-bokatra ary fotoana nanorenan'Andriamanitra ny ankohonany. Levitikosy 23: 15-17, Lioka 24: 49-53, Asa 2: 1-5
Andriamanitra dia nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nanomezany ny Didy Folo tao an-tendrombohitra Sinay. Manavao ny fanekeny amin'ny olona Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny Fanahy Masina. Eksodosy 20:1-17, Lioka 19:11-17, Asan'ny Apostoly 2:16-21
Inona no andro Pentekosta voalohany? Ahoana no fomba fanisana io andro io? Nahoana no manan-danja manokana ny Pentekosta? Fizarana voalohany amin'ny Toriteny. Eksodosy 20:1-17, Lioka 19:11-17, Asa 2:16-21. Misy fitahiana manokana ny fitandremana ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah.
Ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy dia miompana amin'ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra. Oviana no ho tonga ny Fanjakan'Andriamanitra? Aiza? Iza no hanjaka amin'izany?
Fiomanana amin'ny Pentekosta. Sabata faha-5 mialoha ny Pentekosta. "Ny Fanekena amin'Andriamanitra dia toy ny Fanekem-panambadiana". Jeremia 32: 31-40- Matio 5:24-30 - Hebreo 8:7-13.
1 Mofo Misy Masirasira amin'ny Pentekosta - Firosoana ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Fiz. 2) 30:30
Fivetenana amin'ny Mofo Misy Masirasira : Fiomanana ho amin'ny Pentekosta ary Firosoana ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Levitikosy 23:10-17 - Lioka 24: 44-53 - Asan'ny Apostoly 2: 1-11
Inona ny fanolorantena? Nahoana no ilaina ny manolo-tena amin'ny fanompoana an'Andriamanitra?
Jehovah no nandidy ny Sabata ho andro fitsaharana sy hanaovana fivoriana masina hanomezam-boninahitra Azy. Nahoana no tokony ho tandremana ny Sabata? Inona no tokony hatao amin'ny andro Sabata?
Genesisy 15: 1-7, Matio 6: 5-13, Asan'ny Apostoly 2: 36-47 - Ahoana no hahafahantsika mitombo amin'ny fahamarinana? Ny finoan'i Kristy no ilaina mitoetra ao anatintsika mba hitomboana amin'ny toetran'Andriamanitra. Mila asa nefa izany. Nahoana no mila asa ny Finoan'i Kristy ao anatintsika? Ahoana no handresena ny filan'ny nodo sy ny ota? Ny lahatsoratra mirakitra ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray : https://fiamiray.blogspot.com…
Eksodosy 19: 16-25, Lioka 19: 12-19, Jakoba 1: 18-27 - Ny fiomananan'ny Fiangonana mialoha ny Faneken'ny Pentekosta tao Sinay. Ny fanoharana ny amin'ny Farantsa Folo. Ny nahaterahan'ny firenena iray ho an'i Jehovah. Arip nu fahalotoana ary miorena amin'ny teny nambolena sy ny lalan'ny fahafahana. Miorena tsara amin'ny fitiavana madio.…
Tonga teto an-tany Jesosy Kristy, Tenin'Andriamanitra. Tonga nofo Izy, ary nanam-pitoviana tamin'ny olombelona, sady naka ny endriky ny mpanompo. Inona marina no antony nahatongavany? FIZ 1
Genesisy 5:21-24, Matio 7:13-23, 1 Petera 4:1-4. Inona no atao hoe tena Kristiana? I Enoka dia lehilahy iray voalohany niara-nandeha tamin'Andriamanitra. Tsy mbola any an-danitra izy, tahaka an'i Elia koa. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray: https://fiamiray.blogspot.com…
"Mizotra ho amin'ny Fanjakana" - Fiomanana ho amin'ny Pentekosta. Mampianatra antsika hanao inona ny Pentekosta?
Paoly dia voalaza fa "fanaka voafidy". Maro ny boky nosoratany, ary saro-pantarina ny heviny, ka matetika no aolan'ny olona kely fahalalana. Mampirisika ny olona handika ny didin'Andriamanitra ve i Paoly? Mamela ny olona hihinana ny henan'ny biby maloto toy ny kisoa ve izy?
Misy famantarana nomen'Andriamanitra hamantarany ny olony. Anisan’izany ny fanavahana ny madio sy ny maloto, ankoatry ny famantarana lehibe hafa. Levitikosy 11.
Batisa : Famonjena ho antsika mandray tsara ny Teny, fa fandringanana ho an'ireo mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany.
Ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny Safo-dranon'i Noa, endriky ny Batisan'ny Rano.
Eksodoay 14:5-14, Hebreo 4:14-16. Ny fanekena ny ran'i Kristy hamonjena antsika, dia tsy mamela antsika hanota intsony. Fampitahana ny fanandevozana sy fanafahan'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely tany Egypta, i Lota sy ny ankohonany tao Sodoma, ary ny Kristiana amin'ny fahotana.
Inona no tanjon'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 15 Abiba: Andro firavoravoana MTMM - Fiz 1 - Eksodosy 13 : 1-10, Matio 16: 6-12, 1 Korintiana 5 : 1-13
Mofo sy Divay ary ny hafatra avy amin'ny Tenin'Andriamanitra
Fiz 1: Fanasan-tongotra
Eksodosy 13 : 1-10, Matio 16: 6-12, 1 Korintiana 5 : 1-13. Natao ho an'ny olombelona rehetra ny famonjena sy ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah, planin'ny famonjena. Inona marina no tanjon'Andriamanitra amin'ny fifadiantsika ny masirasira amin'ny herinandron'ny Paska? Inona no tanjon'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 15 Abiba: Andro firavoravoana MTMM - Fiz 2…
2022-04-09-Fiz 1 Fahatakarana ny hevipanahin'ny Paska
1 Abiba, voaloham-bolan'i Jehovah. Fizarana 2: Sekoly Sabata. Fomba fitandremana ny Paska vaovao, ny ny fotoana, ary ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
(2022-Apr-02) Eksodosy 12: 1-17, Jaona 12: 1-16, 1 Kor 5: 6-8 - Taom-baovaon'i Jehovah Andriamanitra. 10 Abiba: Fanokanana ny Zanak'ondrin'ny Paska sy fanokanana an'i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. Manatrika fiana Jehovah rehefa manamasina ireo androny masina ny olony.
Abrahama sy Mosesy dia niara-nandeha tamin'Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika Kristiana ankehitriny mba hiarahantsika mandeha amin'i Kristy? Sekoly Sabata eto amin'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray Miray. 04 Dec 2021
"Andriamanitra Mpahary" - Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny zavatra rehetra. Ireo anjely maro be dia Niara-nihoby rehefa namorona ny zavatra rehetra Andriamanitra. Notendren'Andriamanitra hanapaka ny tany i Losifera, nefa nanota tamin'Andriamanitra izy, ary nitaona ny anjely namany hikomy tamin'Andriamanitra. Nisy ady tany an-danitra... Ary tonga foana sady tsisy endrika ny tany... Nanavao ny endriky ny tany Andriamanitra, ary namorona ny olombelona koa Izy. Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona? Azonao fantarina ato ny andininy rehetra. RR. Sylvere Rafidiherimanantsoa, Fiangonan'Andriamanitra Miray, 2022/01/01…
Fanomanana ny Paska sy ny Mofo Tsy Misy Masirasira
Inona no atao hoe mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny lalany? Inona no atao hoe manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra? Inona no fiomanana tokony hataotsika ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry raha isika no fofombadin'i Kristy?
Inona no ambaran'ny Soratra Masina momba ny hetsika any Rosy? Inona no tokony hataontsika?
Andriamanitra naniraka an'i Jesosy hitondra hafatra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no hafatra nentiny sy anirahany antsika koa? Malakia 3:1-6, Lioka 1:13-17, Asa 10:34-48. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray, ao amin'ny lohahevitra FIANGONANA - https://fiamiray.blogspot.com…
Inona no Filazantsara Marina? Tenin'Andriamanitra : Salamo 2:1-12, Jaona 11:47-57, Galatiana 1:6-12
Rehefa vita batisa, Jesosy Kristy dia naharesy ny fakampanahy ary nitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra Izy. Izy Ilay Mesia Andriana nambara ao amin'ny bokin'i Daniela. Ny fametrahan-tanana aorian'ny batisa no fomba handraisana ny Fanahy Masina.
Ny Fiangonana no Reny Ara-panahy mitaiza antsika, manorotoro sy manabe antsika, mba hahatonga ny fahateraham-baovao ho zanak'Andriamanitra, mpandova ny teny fikasan'Andriamanitra. Tenin'Andriamanitra: Isaia 2:1-4, Jaona 15:1-10, Galatiana 4:22-28
Apokalypsy 14: 12. "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy."
Ny Didy Folo no lalàna ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Andeha hofantarina ny momba izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny toriteny dia azonao vakiana ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray.
Ny fiangonan'Andriamanitra masina sy marina no lazaina fa fofombadin'i Kristy. Mila fiomanana ny fiangonana mba ho vonona tsara rehefa tonga ny fampakaram-bady. Inona no fiomanana tsy maintsy hatao amin'izany? « Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. » (Apokalypsy 19:7)…
Toriteny 2022-02-19 - Famaliana ireo fanontaniana mahaliana anao hatrizay: Avy aiza ny devoly? Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona? Inona no antom-pisian'ny Fiangonana? Sy ny sisa.
Fanazavana momba ireo fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay ary ny Fahafatesana faharoa. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray, toriteny, volana fahafito, Tabernakely sy Fara_Fivoriana.
"Ny fiainana Kristiana dia fomba fiaina iray" Ny toriteny an-tsoratra sy ny fandalinana Soratra Masina mifandray dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, ao amin'ny Lohateny Toriteny: Fiainana Kristiana. Https://fiamiray.blogspot.com
Miafina tokoa ve ny fiavian'i Kristy sy ny fanangonana ny olom-boavonjy? Hisy olona hanjavona tampoka tokoa ve tsy ho hitan'ny namany tampoka rehefa tonga i Kristy? Ary tsy ny olona rehetra ve izany no handre sy hahita ny fiaviany?Ny fanazavana feno dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokala, ao amin'ny Toriteny mifandray amin'ny lohahevitra hoe "Ny Fiangonana sy ny antom-pisiany".…
Ny fiangonana dia manana ny lanjany manokana eo imason'Andriamanitra. Antony lehibe telo no namoronan'Andriamanitra ny Fiangonana. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokala.
Ny Sabata dia famantarana eo amin'i Jehovah Andriamanitra sy ny olony masina. Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. (Hebreo 4:3) Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11]. (Hebreo 4:5)…
Fantaro ny marina momba ny Filazantsaran'i Kristy.
Fiainana Kristiana: Ny fety fito isan-taona no manambara ny planina lehiben’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra ho afaka amin'ny ozon'ny fahafatesana, raha manaiky an-tsitrapo izy. Ny hevi-panahin'ny andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah dia tokony ho fantatra sy hiainantsika Kristiana mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy maniry ho tonga zanak'Andriamanitra. Araho ary ny fanazavana ao amin'ny toriteny. Ny literatiora mirakitra ny Toriteny rehetra dia azonao vakiana ao amin’ny https://fiamiray.blogspot.com…
Nahoana isika no tokony hiomana ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak’ondry? Inona no programan'Andriamanitra raha namorona ny olombelona Izy? Ahoana no hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra?
Tamin’ny andro Pentekosta no niorenan'ny Fiangonana Kristiana voalohany (Asan’ny Apostoly 2). An'arivony maro no natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy tamin'io andro io. Inona no antom-pisian'ny Fiangonan'Andriamanitra? Azonao henoina ato ny momba izany.
Genesisy 5: 21-24 Jaona 15: 1-16 Hebreo 11: 8-19 - Tsy isalasalana fa namiratra tamin’ny hatsaram-panahy i Enoka. Mariho izay lazain’ny Baiboly mikasika azy. Ny filazana hoe “nafindran’Andriamanitra Enoka ka tsy hita” dia azo ampitahaina amin’ny namindran’Andriamanitra ny mpaminany Elia, izay voalaza fa nampiakarina tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra ka tsy hita. Azonao arahina ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray ny lahatsoratra mirakitra ny toriteny sy ny Sekoly Sabata, ao amin'ny fizarana hoe "Fiainana Kristiana": Https://fiamiray.blogspot.com…
Jehovah Andriamanitra Ray dia nanao ny andro Sabata ho fitsaharana sy fanaovana fivoriana masina ho Azy. Fotoana hifadiana ny ratsy rehetra koa ary mitaky Fahamarinana sy Fahamasinana (1 Korintiana 5: 1-14). Manana ny hevi-panahiny ireny andro masina ireny. Anio, ny Paska ary ny Mofo Tsy Misy Masirasira no lohahevitra. Ny toriteny dia azonao vakiana ao amin'ny https://fiamikristiana.blogspot.com/p/sabatani-jehovah-famantarana-fiz2.html?m=0…
1 Fiainana Kristiana - Sabata andro fahafito sy Sabata fito isan-taona : Famantarana (Fiz. 1) 1:09:05
Ny fiainana kristiana dia fomba fiaina iray. Ny Sabata no fifamantarana eo amin'Andriamanitra Mpamorona sy ny olombelona. Ezekiela 20:9-20, Lioka 14:1-13, 1 Korintiana 5: 1-14. Azonao vakiana ao amin’ny tranokala ny andininy rehetra: https://fiamikristiana.blogspot.com/p/sabata-andro-fahafito-sy-sabata-fito.html?m=0…
Ny Fara-fivoriana dia andro fitsaharana sy firavoravoana farany aorian'ny Fetin’ny Tabernakely. Antsoina koa hoe "andro fahavalo" izy. Inona no hevi-panahin'ny andro firavoravoana Fara-Fivoriana? Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina izany? Manambara Inona eo amin'ny Planin’ny Famonjena io fotoana io? Isaia 65, Matio 25, Apokalypsy 20. Fanazavana fanampiny: Manasa anao Hamaky ny Toriteny ao amin’ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray : https://fiamiray.blogspot.com…
Ny Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah amin’ny volana fahafito dia ny Trompetra, andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. (Levitikosy 23)
Ny Fetin'ny Tabernakely dia fankalazana tontolo tsara kokoa noho izay misy ankehitriny.
Ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy. Izay maharesy dia voatendrin'Andriamanitra ho mpisorona sy mpanjaka miaraka amin'i Jesosy Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ny Andro Fanavotana dia voalaza ao amin'ny Levitikosy 23 sy Levitikosy 16. Fanazavana fanampiny : Https://fiamiray.blogspot.com
Sabata mialoha ny Andro Fanavotana : Ezekiela 28:11-17, Lioka 8:26-36, Apokalypsy 20:1-3.
Fampitahana ilay mitaingina soavaly Fotsy ao amin'ny Apôkalipsy 6 sy ilay ao amin'ny mitaingina Soavaly Fotsy ao amin'ny Apôkalipsy 19. Ny Soavaly Mena, Mainty, Hatsatra
Ezekiela 14, Matio 24, Apokalypsy 6: 1-6
Fandalinana momba ny atao hoe Sabatan'i Jehovah
Inona no atao hoe Sabatan’i Jehovah? Ahoana no fitandremana azy?
Nanendry fotoam-pivavahana hitsaharana sy hanaovana fivoriana masina ho Azy Jehovah. Paska, Mofo Tsy Misy Masirasira, Pentekosta. Tsy maintsy any Jerosalema ve no hitandremana ny fety? Mbola mila mitondra biby atao fanatitra ihany sy vary tririka koa ve?
1 2021-08-21- Ny antony tsy maintsy hitandreman'ny Kristiana ny andro masin'Andriamanitra - Fiz 1 58:50
Inona no antony tsy maintsy hitandreman'ny Kristiana ny andro masin'Andriamanitra? Eksodosy 31:12-18, Marka 3:1-6, 2 Petera 3:8-10. Raha Andriamanitra no manendry fotoana hivavahana Aminy, dia tokony hanendry fotoana hafa ve ny olombelona? Mbola tokony hotandremana ve ny andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah?…
Trompetra, Fanavotana, Tabernakely, Fara-Fivoriana
Ny Hevi-panahin'ny andro firavoravoana fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra no manambara ny fahateraham-baovao, rehefa miverina i Kristy.
1 Fanomanana ny Andro firavoravoana volana fahafito : Homem-boninahitra ny vahoakan'Andriamanitra 58:47
Fanomanana ny Tabernakely (Fiz 2): Levitikosy 23, Jaona 7, 1 Korintiana 15
Levitikosy 23:23-32 - Jaona 7: 37-43 - 1 Korintiana 15: 50-58
Fiomanana ho amin'ny Fetin'Andriamanitra amin'ny Volana Fahafito. Toriteny sy Sekoly Sabata. "Homem-boninahitra ny vahoakan'Andriamanitra". Inona no hevi-panahin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah amin’ny volana fahafito?
Mika 6: 8. Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
Sekoly Sabata Kristy no lohan'ny fiangonana, ny fiangonana no tena. Izy no manapaka ny fiangonana. Fanahy iray no nanaovana batisa antsika ho lasa tena iray, dia ny fiangonan'Andriamanitra izany. Ny Fanahy Masina no manao batisa antsika, na manitrika antsika ao anatin'ny tenan'i Kristy - na fiangonan'i Kristy. Ny lalana hahatongavana amin'izany dia: Mino Mibebaka Atao batisa Fametrahan-tanana aorian'ny batisa Mandray ny Fanahy Masina Torontoronin'ny Fanahy Masina Tonga ho momba ny tenan'i Kristy na fiangonan'Andriamanitra Ny hoe manao batisa amin'ny anaran'i Jesosy dia midika hoe manao batisa amin'ny fahefan'i Jesosy Kristy . Ny hoe manao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia midika hoe asitrika na ampidirina ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Rehefa tonga ho momba ny tenan'i Kristy dia manao ny asany, amin'ny alalan'ny fitoriana ny Filazantsara, fametrahan-tanana sy fanasitranana ny marary, fitondrana am-bavaka ny hafa, ary mandroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy Kristy. Ny asan'Andriamanitra dia ny mamahana ny ondrikelin'i Kristy. Izany dia midika hoe mitarika, mitaiza, mampianatra, ary manoro hevitra. Ny Baiboly iray manontolo mihitsy no totkony harahina, izay mirakitra ny didy sy fitsipika ary lalàn'Andriamanitra izany.…
Fampaherezana - Sabata 2021-07-31 Enina hetsy lahy no isan'ny zanak'Isiraely avy tany Egypta (Nomery 11:16-29). Maro tamin'izy ireo no tsy tafiditra tao amin'ny tany Kanana noho ny fimonomononany sy ny tsi-finoany. Ny zanak'Isiraely dia te-hijanona ho andevo tany Egypta. Ny tany Kanana dia tandindon'ny Fanjakana Arivo Taonan'i Kristy. Mosesy dia mbola hampianatra ny lalàn'Andriamanitra any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Rehefa mitandrina ny lalàn'Andriamanitra isika dia sokafany mandrakariva ny fahalalana ny marina avy aminy.…
Misy telo karazana ny antony tokony handoavana Fahafolon-karena voalazan’ny Baiboly. Henoy ny fanazavana araka ny Soratra Masina.
Tenin'Andriamanitra : Nomery 11:16-29, Jaona 21:15-19, 1 Korintiana 12:1-14 Andriamanitra dia manome ny Fanahiny ho an'ny olona izay irahiny hanao ny asany. Tamin'ny andron'i Mosesy dia nisy 70 lahy nomena Fanahy Masina ary naminany ireo. Mosesy dia naniry ny hananan'ny olona rehetra ny Fanahin'Andriamanitra mba hahatonga azy ireo hatahotra an'Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia naniraka 70 lahy hanao ny asan'Andriamanitra, dia ny hitory ny Filazantsara. Jesosy Kristy koa dia maniraka antsika hitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra mba ho vavolombelona aminy. Atao amin'ny finoana ny asa ary tsy tokony himonomonona na ho kivy na dia tsy mihaino aza ny olona. Ny Fanahy Masina dia manao batisa antsika ho ao amin'ny tenan'i Kristy; izany hoe, mametraka antsika ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra -tenan'i Kristy) ny Fanahy Masina. Kristy no lohan'ny tena na lohan'ny fiangonana.…
Inona no atao hoe "tanteraka"? Ahoana no haha antsika ho tanteraka amin'ny fanarahana an'i Kristy?
Nahantona nandritry ny arivo taona maro ny fanomezana ny Fanahin’Andriamanitra tamin'ny olombelona rehetra rehefa nanota i Adama sy Eva.... Taorian'ny niakaran'i Jesosy Kristy tany an-danitra nefa dia nomena izay mitandrina sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina.
1 Nahoana no nahantona ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin'ny olombelona? 2021-07-24 -Fiz. 1 1:00:00
Raha namorona ny olombelona Andriamanitra, dia nanome azy ireo ny hazon'aina. Nefa ny olona dia nisafidy ny fahafatesana tamin'ny tsi-fankatoavana an'Andriamanitra sy ny fihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny toriteny no manome ny andinindininy rehetra.
Matio 12: 38. Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39. Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; 40. fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.…
Maty tamin'ny antsasaky ny herinandro, nilevina hateloan'andro sy hateloan'alina. Daniela 9 :24-27, Matio 12 :38-40
Ny Paska dia anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah isan-taona. Ny 14 Abiba rehefa hariva no itandremana ny Paska.
Miomana hihaona amin'Andriamanitra Jehovah Andriamanitra Ray dia masina ary izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita Azy. « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. » (Hebreo 12:14) Mila fiomanana ny fihaonana amin'Andriamanitra. Raha isika no fofombadin'i Kristy, inona no fiomanana tsy maintsy hatao mialoha ny hihaonana aminy? « [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. » (Eksodosy 19:9) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eksodosy 19:10) « ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 19:11) « Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; » (Eksodosy 19:12) « tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. » (Eksodosy 19:13) « Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. » (Eksodosy 19:14) « Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. » (Eksodosy 19:15) « Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. » (Eksodosy 19:16)…
Ny nahaterahan'ny firenena iray ho an'i Jehovah
Fiomanan'ny fiangonana mialoha ny Pentekosta Jehovah dia nanome toro-marika an'i Mosesy mba hanamasina ny vahoaka mialoha ny hihaonany amin'Andriamanitra. Inona no fiomanana tsy maintsy atao mialoha ny Pentekosta? « [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. » (Eksodosy 19:9) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eksodosy 19:10) « ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 19:11) « Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; » (Eksodosy 19:12) « tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. » (Eksodosy 19:13) « Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. » (Eksodosy 19:14) « Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. » (Eksodosy 19:15) « Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. » (Eksodosy 19:16)…
Ny ratsy fanahy dia tsy mba handova ny Fanjakan'Andriamanitra, ary voalazan'ny Soratra Masina fa hanana anjara any amin'ny fahafatesana faharoa. Inona no atao hoe ratsy fanahy? Andeha ho fantarintsika ny momba izany mba hifadiantsika ny faharatsiana rehetra. « Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. » (Apokalypsy 22:11) « Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. » (Apokalypsy 22:14) « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)…
Andriamanitra dia Fanahy sy Fahamarinana ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mahafantatra izany. « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24) « Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. » (Jaona 9:31) Inona no atao hoe Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra?…
Ny batisan'ny rano no dingana lehibe ho amin'ny famonjena ny fanahy aorian'ny fibebahana. Inona no tsara ho fantatra momba ny batisa? « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jaona 3:3) « Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Marka 13:13) « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16) « Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (Jaona 3:6) Azonao fantarina koa ny momba ny Batisan'ny Fanahy Masina, ny batisa amin'ny anaran'i Jesosy, sy ny atao hoe batisa amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.…
Ny fanekena amin'Andriamanitra dia fanekem-panambadiana. Ny fiangonana no fofombadin'i Kristy ary misy fanekena mifehy izany fifankatiavana sy fifandraisana izany. Nefa mampalahelo fa ny zanak'Isiraely matetika dia nivadika tamin'izany fanekena izany. Toy izany koa isika ankehitriny, izay matetika tsy mandeha araka ny lalan'Andriamanitra ka mampahatezitra Azy. « Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony] » (Jeremia 31:32) Azonao fantarina amin'ny toriteny manaraka koa ny momba ny Fepetr'ilay Fanekem-panambadiana amin'Andriamanitra.…
Jesosy Kristy dia nanavao ny fanekena amin'ny olony mba hahazoan'izay mino Azy fiainana mandrakizay. Inona no fepetr'ilay Fanekena Vaovao? « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. » (Lioka 22:20) « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. » (1 Korintiana 11:25) « Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Hebreo 8:8) « Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. » (Hebreo 9:15)…
Jesosy Kristy dia nanao fanoharana maro momba ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, ary anisan'izany ny fanoharana momba ilay andriandahy nandeha nivahiny tany an-tany lavitra mba haka fahefana hanjaka, dia niverina. Inona no hevitry ny fanoharana? Inona no andrasan'ny Tompo amintsika? « Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 19:11) « Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. » (Lioka 19:12) « Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15] » (Lioka 19:13) « Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany] » (Lioka 19:14) « Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana. » (Lioka 19:15) « Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. » (Lioka 19:16) « Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. » (Lioka 19:17) « Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. » (Lioka 19:18) « Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao. » (Lioka 19:19) « Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. » (Lioka 19:20) « Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. » (Lioka 19:21) « Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; » (Lioka 19:22) « koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany? » (Lioka 19:23) « Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo » (Lioka 19:24) « (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.) » (Lioka 19:25) « Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. » (Lioka 19:26) « Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty , ka vonoy eto anatrehako. » (Lioka 19:27)…
Jehovah Andriamanitra Ray dia manome teny fikasana feno fitahiana ho an'izay mitandrina ny didn'Andriamanitra. Mifanohitra amin"izany kosa dia hahazo ozona izay rehetra tsy mihaino sy tsy mitandrina ny Tenin'Andriamanitra. Andeha hojerentsika ny momba izany fitahiana izany. « [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; » (Deotoronomia 28:1) « ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao » (Deotoronomia 28:2) « Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. » (Deotoronomia 28:3) « Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao. » (Deotoronomia 28:4) « Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. » (Deotoronomia 28:5) « Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. » (Deotoronomia 28:6) « Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. » (Deotoronomia 28:7) « Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 28:8) « Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. » (Deotoronomia 28:9) « Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. » (Deotoronomia 28:10) « Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. » (Deotoronomia 28:11) « Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. » (Deotoronomia 28:12) « Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. » (Deotoronomia 28:13) « Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy. » (Deotoronomia 28:14)…
Ny Pentekosta dia fantatra amin'ny hoe fetin'ny voaloham-bokatra, ary hanaovana fotoam-pivavahana ho an'i Jehovah io fotoana io. « Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Levitikosy 23:15) « Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray. » (Levitikosy 23:16) « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. » (Levitikosy 23:17) « Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:18) « Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana. » (Levitikosy 23:19) « Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona. » (Levitikosy 23:20) « Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra. » (Levitikosy 23:21)…
Tena iray ao amin'ny Tompo ny mpino satria Jesosy Kristy efa nivavaka mba hahatateraka izany. Inona no atao hoe "tena iray ao amin'ny Tompo"? « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. » (Jaona 17:18) « Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. » (Jaona 17:19) « Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; » (Jaona 17:20) « mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:21)…
Ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra aorian'ny batisa. Ny Fanahy Masina dia herin'Andriamanitra mahagaga sy mahatalanjona ao anatin'ny mpino. Inona avy ny tombontsoa azo avy amin'ny fananana ny Fanahy Masina?
Ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry dia andro firavoravoana lehive tokoa ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Iza no mpampakatra be voninahitra? Ary iza no vadiny? « Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. » (Apokalypsy 19:7) « Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra. » (Apokalypsy 19:9)…
Nahoana no oharina amin'ny voromailala ny Fanahy Masina? Inona no toetra ananan'ny voromailala? « ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » (Lioka 3:22)
Inona ilay Testamenta Vaovao na didim-pananana? « Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. » (2 Korintiana 3:6) « Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. » (Hebreo 9:15)…
Ny tombo-kase dia marika apetaka amin'ny handrina sy ny tànana ankavanan'ny olona mba ho famantarana azy. Andriamanitra dia manome ny Sabata ho famantarana eo aminy sy ny olony. Nefa maro no mandà tsy mety mandray izany famantarana nomen'Andriamanitra izany. Ankoatry ny Sabata dia misy tombo-kase hafa koa nomen'Andriamanitra hamantarany ny tena olony. Izany famantarana izany no manavaka azy ireo amin'izay olona miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny. Ny olona mandray ny mariky ny bibi-dia sy ny sariny dia tsy mba voaaro amin'ny loza ho avy ary ny hiafarany dia fahafatesana mandrakizay. Mba hiarovana antsika tsy ho simban'ny loza ho avy sy ny fahatezeran'Andriamanitra, fantaro ary raiso ireo tombo-kasen'Andriamanitra ireo. Manorata amainay na manatona ny Fiangonan'Andriamanitra Miray raha mila fanazavana fanampiny ianao.…
Ny tena kristiana dia mivelona sy miaina araka ny Tenin'Andriamanitra. Ny Teny no nisiam-piainana ary fanazavana ny lalantsika Izy. « Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13) « Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. » (Jakoba 1:22)…
« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:5) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38) Nahoana isika no tsy maintsy hatao batisa amin'ny rano? Ary ahoana no fahazoana ny batisan'ny Fanahy Masina? Inona no andrasan'Andriamanitra amintsika?…
Ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ary io dia hery mahagaga sy mahatalanjona. « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) « [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; » (Isaia 11:1) « Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; » (Isaia 11:2) « Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; » (Isaia 11:3) « Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isaia 11:4) « Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony » (Isaia 11:5)…
« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Korintiana 11:1) Inona no kristiana marina?
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) Afaka mitoetra ao anatintsika ny herin'ny Fanahy Masina. Ahoana no tokony hatao mba hampitoetra ny herin'ny Fanahy Masina ao anatintsika?…
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) Avy aiza ny herin'ny Fanahy Masina? Inona no asany? Nahoana isika no mila ny herin'ny Fanahy Masina?
« Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[*Na: fanilony] » (Matio 25:3) Ny herin'ny Fanahy Masina no solika fitaiza hitomboantsika ara-panahy. Inona no atao hoe solika fitaiza? Ahoana no hahazoana io solika fitaiza io sy hanolokoloina azy?
« Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 18:4) Nahoana Jesosy Kristy no nilaza izany fanoharana izany? Inona no toetry ny zaza tokony hananantsika mba handivantsika ny Fanjakan'Andriamanitra?
Ny herin'ny Fanahy Masina no lakilen'ny tsi-fahafatesana feno voninahitra. Inona no herin'ny Fanahy Masina? Ahoana no handovana fiainana mandrakizay? Iza kosa no handova fahafatesana? Inona no anjara omen'i Kristy izay maharesy?
Isika no tempolin'Andriamanitra, ary raha tempolin'Andriamanitra dia tokony hatao trano fivavahana. Inona no atao hoe 'mivavaka'? Ahoana no hahatonga antsika ho tempoly masina sy marina ankasitrahan'Andriamanitra?
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24) « Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23) Tsy maintsy ateraky ny Fanahy isika raha maniry mafy ny hivavaka marina amin'Andriamanitra sy ho tonga zanak'Andriamanitra, mpiray lova amin'i Kristy. Azo tanterahina ankehitriny ny famoronana antsika ara-panahy. Ahoana nefa? Azonao fantarina anio ny momba izany.…
Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia tsy nahalala an'i Jesosy Kristy rehefa tonga Izy. Ny olona niaina tamin'ny andron'i Kristy dia nihevitra fa Jesosy Kristy dia tonga handrava ny fanjakana Romana tamin'ny fotoan'androny ka hanorina fanjakana hisolo izany. Maro koa no mihevitra fa ao am-pon'ny olona ny fanjakan'Andriamanitra, ary izany foto-pisainana izany dia vokatry ny tsi-fahazoana tsara ny hevitry ny Soratra Masina. Jesosy dia nanmpianatra antsika hivavaka isanandro mba ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra ary mba hatao ny sitrapon'Andriamanitra. Aiza tokoa no hisy ilay fanjakan'Andriamanitra ho avy? Azonao fantarina anio ny momba izany.…
Nohariana araka ny nofo isika, nefa Andriamanitra dia naniraka ny Zanany lahitokana mba hanao fanavotana ho an'ny fanahitsika. Rehefa natao batisa isika dia mandray ny voan'Andriamanitra ary eo no manomboka ny fanorotoroana ara-panahy. Ilaina ny fitomboana ara-panahy mba hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra. Ahoana àry izany fitomboana ara-panahy izany? Inona no fomba hahatongavana amin'izany?…
Ahoana no fomba fanisana ny Pentekosta?
Fanamasinana ny fotoam-pivavahana Paska, amin'ny fotoana voatendrin'i Jehovah, ny harivan'ny 14 Abiba.
Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.2 Ny sorona indray mandeha monja nataon'i Kristy
Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.4
Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.5
Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.3
Ny kristiana dia miatrika ady sarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy. Nefa izany dia tsy tokony atao mahakivy na handreraka satria isika dia miara-mandeha amin'i Kristy. Inona no tokony hatao mba hahatonga an'i Kristy hiaraka amintsika isanandro? Inona no atao hoe miara-mandeha amin'Andriamanitra?
Inona no fianarana azo tsoahina amin'ny fakam-panahy nahazo an'i Jesosy Kristy? « Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lioka 4:1) « ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. » (Lioka 4:2) « Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. » (Lioka 4:3) « Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). » (Lioka 4:4) « Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. » (Lioka 4:5) « Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lioka 4:6) « koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. » (Lioka 4:7) « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). » (Lioka 4:8) « Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; » (Lioka 4:9) « fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; » (Lioka 4:10) « Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Lioka 4:11) « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Lioka 4:12) « Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. » (Lioka 4:13)…
Jehovah Andriamanitra dia nanao ny Sabata ho famantarana aminy sy ny olony (Ezekiela 20:12) « Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato. » (Ezekiela 20:21) Inona no atao hoe mahatsiaro ny andro Sabata? Nahoana no tokony hitandrina ny Sabata isika?…
Ady isanandro no atrehin'ny kristiana raha maniry mafy ny hiorina amin'ny finoana izy. Ady ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, ary maro ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy atrehina isanandro. Jesosy Kristy nefa dia nanome teny fikasana ho an'izany maharesy, dia tsy inona izany fa ny ho mpiara-mandova fanjakana aminy. Inona no tokony hatao mba hahatonga antsika ho mpandresy?…
Tenin'Andriamanitra: Deotoronomia 6:1-9, Jaona 15:1-8, Galatiana 5:16-26 « Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. » (Romana 6:14) Inona marina no atao hoe "ambanin'ny lalàna" sy "ambanin'ny fahasoavana"? Afaka amin'ny lalàna ve ny mpino kristiana rehefa tonga ambanin'ny fahasoavana? « Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! » (Romana 6:15) « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. » (Galatiana 5:18)…
Inona no atao hoe 'mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra"? Inona no fiomanana tokony hataontsika amin'izany?
Deotoronomia 6:1-9 - Jaona 15:1-8 - Galatiana 5:16-26 Ny atao hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana
Sekoly Sabata sy Fampaherezana - Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Faritra Afrika Atsinanana.
Batisan'ny Fanahy Masina - Hery mahagaga sy mahatalanjona
Miomana ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak’ondry sy ny Fanjakan'Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika mba hahazoantsika mandova an'Andriamanitra sy miara-mandova an'i Kristy?
Ny Tempoly dia maneho ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, nefa maneho ny tenantsika koa. Mila fiomanana isika izay tempolin'ny Fanahy Masina mba ho mendrika amin'izany fampakaram-badin'ny Zanak’ondry.
Ny fanekena nataon'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely dia Fanekem-panambadiana. Nefa izy ireo dia tsy nahay nitandrina ilay fanekena. Mila fiomanana isika izay tempolin'ny Fanahy Masina mba ho mendrika amin'izany fampakaram-badin'ny Zanak’ondry izany.
Ankoatry ny fibebahana sy ny finoana, ny batisa dia anisan'ny fepetra ilaina amin'ny Famonjena. Inona no atao hoe batisa? Inona ny fibebahana, ny finoana, ary ny Fanahy Masina? Nahoana Andriamanitra no namonjy an'i Noa tamin'ny Safo-drano? Inona no maha-zava-dehibe ny Batisan'ny Rano? Azonao henoina ny momba izany.…
Rehefa nitandrina ny Mofo Tsy Misy Masirasira hafitoana isika taorian'ny Paska, dia hiverina indray amin'ny Mofo Misy Masirasira. Manambara Inona ny masirasira eto? Iza no santatra sy voaloham-bokatry ny Fanahy? Manambara Inona ilay Amboara Iray Ahevaheva? Manambara Inona ny masirasira aparitaka amin'ny koba? Inona no tokony hataontsika mba hirosoana hatrany ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra?…
1 Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra - Toriteny - Fiverenana amin'ny Mofo Misy Masirasira 1:05:21
Ny tenin'Andriamanitra: Genesisy 19:15-26, Lioka 17:28-32, Apokalypsy 18:1-10. Anio no andro farany amin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny masirasira dia manambara "ota". Tsy tokony hiverina manota intsony isika rehefa nodiovin'Andriamanitra (2 Petera 220-22). "Tsarovy ny vadin'i Lota". Asain'Andriamanitra miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao isika mialoha ny hanapotehany azy. Inona no tanjon'Andriamanitra ho antsika? Inona marina ny anjelin'Andriamanitra? Afaka mipetraka amin'ny olona ve ny anjelin'Andriamanitra? Inona no hevi-panahin'ny "miverina amin'ny Mofo Misy Masirasira"? Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.…
Ny Baiboly dia milaza zavatra maro momba ny olona antsoina hoe "ratsy fanahy". Ao amin'ny Bokin'i Joba ohatra dia ahitana teny toy izao: « Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe. » (Joba 15:20) « Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra. » (Joba 18:21) Inona marina no atao hoe ratsy fanahy? Ary inona no anjara miandry azy any am-parany? « Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. » (Ohabolana 11:18) Henoy ny fanazavana rehetra entin'ny mpanompon'Andriamanitra. Fanazavana fanampiny: Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hamaky ny lesona momba ny olona atao hoe ratsy fanahy sy vetaveta, ary koa ny anjara miandry azy ireo. Dr. Mamy Raherison, Sekoly Sabata, Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
Ny fanomezana ny Didy Folo dia nanorina ny lalàna izay iorenan'ilay fifanekena taloha. Tamin'ny alàlan'ny fanekena taloha, Andriamanitra dia manana tanjona lehibe ho an'ny Isiraelita fahiny. Amin’ny maha fanjakana ny olom-boafidy, dia ho mpanjaka izy, hanapaka tanàna betsaka na vitsy, araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lioka 19:16-19; Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Daniela 7:27). Amin’ny maha mpisorona azy kosa dia ho mpampianatra momba an’Andriamanitra sy ny didiny ary ny Planin’ny Famonjena izy ireo (Malakia 2:7). 1 - Tamin’ny andro Pentekosta voalohany no nahaterahan'ny firenena Isiraely ho an'i Jehovah Tamin'ny andro Pentekosta, maherin'ny 3.400 taona lasa izay no teraka ny firenen'Israely. Izy ireo dia ho firenena an'Andriamanitra. Te hampiasa ny firenen’Israely Andriamanitra, ho ohatry ny fankatoavana Azy eo imason’izao tontolo izao. Nampanantena azy ireo Andriamanitra fa hahazo fitahiana tsy ambara, nefa azo tsapain-tanana izy ireo raha toa ka hankatò ny Didy Folo. Izany dia mety hampiseho amin'izao tontolo izao fa ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra dia miteraka fitahiana lehibe. Raha nanao ny tsara ny Zanak’Israely dia mety ho voataona ho amin'ny fiainana lehibe iray manontolo izao tontolo izao. Fantatsika nefa fa tsy nahatanteraka ny anjarany tamin'ny fifanekena ny Zanak’Isiraelita. Nahoana? Nampianarin'ny Pastora Herbert W. Armstrong antsika ny antony nahatonga ny tsy fahombiazan’ny. zanak’isiraely. Firenena ara-nofo izy ireo fa tsy firenena ara-panahy! Tsy nanana ny Fanahy Masin'Andriamanitra izy ireo; nefa ny lalàn'Andriamanitra dia ara-panahy (Romana 7:14). Noho izany, tsy nahay nankatò an'Andriamanitra afa-tsy teo am-bava ihany izy ireo. Ary na dia tamin’izany aza, dia tsy nahomby izy ireo! Tokony ho fantatsika fa ny Isiraely dia natao ho karazana firenena ara-nofo, manambara mialoha izay firenena ara-panahy mbola ho avy! Tamin’ny Soratry ny Lalàna ihanyny fanekena taloha fa tsy tamin’ny Fanahin’ny Lalàna. Ny fanekena vaovao kosa dia sady tamin’ny Soratra no tamin’ny Fanahin’ny Lalàna. (Lettre de la loi et esprit de la loi). 2 - Tamin’ny andro Pentekosta koa no nahaterahan'ny Fiangonan’Andriamanitra, masina sy marina, ho an'i Jehovah «Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:1) « Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. » (Asan'ny Apostoly 2:41) Fanazavana fanampiny: Fiomanana hihaona amin'Andriamanitra amin'ny andro Pentekosta. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.…
Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany dia nahazo ny fanomezana Fanahy Masina rehefa nitandrina ny tenin'i Kristy. (Asa 1 sy 2). 120 monja no isan'ireo nanolotena sy nitandrina izany. Noho ny fiasan'ny herin'Andriamanitra dia 3000 no nanampy isa ireo voaloham-bokatra tamin'io andro Pentekosta io ihany. Jehovah dia miasa foana amin'ireny andro firavoravoana voatendriny ireny. Ny Didy Folo ohatra dia nomen'Andriamanitra ny zanak'Isiraely tamin'ny andro faha-50. Fantaro ny fomba izany. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.…
Eksodosy 19:1-11 - Lioka 12:29-34 - Asa 2:1-12. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.
欢迎使用Player FM
Player FM正在网上搜索高质量的播客,以便您现在享受。它是最好的播客应用程序,适用于安卓、iPhone和网络。注册以跨设备同步订阅。